Nandray an’i Andriamatoa Roland Kobia, Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeana eto Madagasikara, Ramatoa Minisitry ny Rano sy ny Fidiovana ary ny Fanadiovana Dr RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia, ny 13 novembre 2025, tao Ambohijatovo Ambony. Izay isan’ireo mpiaramiombon’antoka iraisam-pirenena akaiky sy mavitrika indrindra amin’ny MEAH, tamin’ny fitsidihana nataony ara-pomba am-panajana.
Notsiahivina nandritry ny fihaonana ny maha zava-dehibe ireo tetikasa efatra iarahana MEAH sy ny Vondrona Eoropeana, dia ireto avy :
- JIRAMA Water III ho fanatsarana ny fisitrahana rano fisotro madio eto amin’ny Antananarivo,
- Programme Intégré d’Assainissement d’Antananarivo Phase II,
- Tetikasa Rano sy Fanadiovana ao Toamasina,
- Fanamafisana ny Rafitra Ara-pitantanana sy ny Fandrindrana
Nanolotra fankasitrahana ho an’ny MEAH Atoa Roland Kobia noho ny asa vitany sy ny ezaka izay mbola ho atao, ary nanamafy indray ny fahavononany ny Vondrona Eoropeana hanohy sy ny fanohana ny Governemanta Malagasy.
Etsy ankilany, nanamafy Ramatoa Ministra fa vonona tanteraka ny MEAH hanohy sy hampitombo ny fiaraha-miasa amin’ny Vondrona Eoropeana, amin’ny finiavana iombonana hanatsarana maharitra ny fahazoan’ny olom-pirenena rano fisotro madio sy tolotra ara-pidiovana, ho tombontsoan’ny mponina manerana ny firenena.




