Nijery sy nanara-maso ny fandrosoan’ny asa fanorenana ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana (DREAH) ao amin’ny Faritra Anôsy sy Androy ny delegasionan’ny Minisitera izay tarihan-dRamatoa Minisitra, Dr RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia.
Ity fotodrafitrasa ity dia iaraha-miasa amin’ny tetikasa MIONJO, vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola, ka vinavinaina ho vita tanteraka amin’ny volana Marsa 2026.
Ny ao Androy dia ahitana birao roa misy rihana roa ahitana hefitra miisa 13 ho an’ny mpiasa, trano fitehirizana entana sy fitaovana, ary tranon’ny mpiambina.
Ny ao Anosy kosa dia birao roa misy hefitra 18 ho an’ny mpiasa, trano fitehirizana entana sy fitaovana avy, Garazy mahazaka fiara 2, ary tranon’ny mpiambina.










