Natolotr’i ramatoa Minisitra Dr RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia tamin’ny fomba ofisialy ny trano fidiovana vaovao ho an’ny Kaominina Amboasary Atsimo. ππππ’ππ’ππ«π ππ¨ ππ§πππ’π§βπ§π² ππ¬π πππ§πππ«ππ‘π’π§βπ§π² ππππ, indrindra eo aminβny sehatry ny fanadiovana sy ny fidiovana, izany.
Ity fotodrafitr’ asa ity dia natao hanatsarana ny fahadiovanβny daholobe sy hanomezana tolotra mendrika ho anβny mponina, ny mpivarotra sy mpanjifa eny an-tsena, ny sekoly manodidina ary ireo mpivahiny sy mpandalo.
Ny tanjona lehibe aminβity asa vita ity dia ny hanafoanana ny fangerena ankalamanjana, ny hanatsarana ny fahasalamanβny mponina ary ny hanomezana endrika madio sy maharitra ho anβny tanΓ nanβi Amboasary Atsimo.








