Notontosaina ny 29 Aogositra 2025 tao Manakarabe ny lanonana fanombohana ny asa fanarenana, fanatsarana ary fanitarana ny fotodrafitrasa famatsiana rano fisotro madio ho an’ny Kaominina ambonivohitr’i Manakara. Nitarika izany Andriamatoa Minisitry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, notronin’ireo manampahefana sy solontenam-bahoaka maro.
Araka ny fanazavan’ny Ministra, taorian’ny fifampidinihana maro niarahana tamin’ny Banky Iraisam-pirenena dia tonga amin’izao dingana fanatanterahana izao ny tetikasa PAAEP. Nanentana ny mponina izy mba hifanome tanana sy hahay hifandefitra, manoloana ny fanelingelenana sy fikorontanana mety hitranga ateraky ny asa.
Vokatra andrasana: hitombo avo telo heny ny rano hovokarina.
🛠️ Asa hatao:
• Fametrahana fantsona mirefy 20 km
• Fanatsarana ny station de traitement efa misy
• Fametrahana siniben-drano 1 400 m³
• Fananganana fotodrafitrasa vaovao hakana sy hanadiovana rano
Nisy ihany koa ny fisaorana sy tsodrano nataon’ny solontenan’ny Ambanjaka, nitso-drano ny asa mba haharitra sy hahomby, ary hisy fiarovana ny mpiasa sy ny fitaovana ampiasaina.









