Fitsidihana fanarahamaso tampoka ny kalitaon-drano : Mandroseza

Ny 13 septambra 2025, ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, niaraka tamin’ny ekipany, dia nanao fidinana fanarahamaso tampoka nijery ny tobi-pamokarana rano fisotro madio an’ny JIRAMA tao Mandroseza.
✅ Vita ny fanandramana kalitaon-drano ary voamarina fa madio sy mahafeno fepetra ny rano vokarin’ny toby Mandroseza I sy II.
Notsirihana ihany koa ny « stocks d’intrants de traitement d’eau » , ary hita fa ampy tsara ho an’ny volana maromaro ho avy izany.
Isika moa izao dia anaty asa fanarenana hatrany, indrindra ireo fantsona simba, izay mety hiteraka loto any anaty rano mivoaka amin’ny robinet any an-tokantrano.
Nanome toromarika Andriamatoa Minisitra fa mila mandray fepetra avy hatrany rehefa misy ny tranga hita, midina manara-maso sy manafaingana ny asa fanarenana ary manadio ireo fitehirizan-drano voakasika.

À lire également

𝐌𝐀𝐇𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 : 𝐍𝐎𝐉𝐄𝐑𝐄𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐏𝐈𝐀𝐀𝟐

𝐕𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 : 𝐌𝐈𝐓𝐎𝐌𝐁𝐎 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐙𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐅𝐈𝐒𝐎𝐓𝐑𝐎 𝐌𝐀𝐃𝐈𝐎

𝐀𝐊𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀 – 𝐎𝐊𝐓𝐎𝐁𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔