Ny 28 Aogositra 2025, notarihan’Andriamatoa Minisitra niara-dia tamin’ireo Mpandrindra ny tetikasa PAAEP, dia nanomboka tamin’ny fomba ofisialy ny asa fametrahana ireo fantsona vaovao, amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana ho amin’ny famatsiana rano fisotro madio, fiarahamiasa amin’ny Banky Iraisampirenena. Nanome voninahitra izany ireo olom-boafidy sy tompon’andraikitra tany an-toerana.
✨ Zava-dehibe notanterahina :
🔹 Fametrahana ireo fantsona mirefy 17km , niaraka tamin’ireo Ampanjaka izay nanome tso-drano ny tetikasa tao Mananjary. 
🔹 Fitsidihana ny toerana hametrahana ny fotodrafitr’asa tao amin’ny CR Tsaravary, izay hisintomana ny rano hamatsy ny tananan’ny Mananjary. 
🔆 Dingana lehibe izao ho an’ny fiantohana rano fisotro madio ho an’ny mponina ao an-toerana.
 
															
 
															











 
															 
															 
															 
								 
								 
								 
								 
								