Fanolorana ofisialy ny fotodrafitrasa AEP vaovao ao Marovoay sy Mahajanga, faritra Boeny

Tontosa ny 12 Septambra 2025 ny fanolorana ofisialy ny fotodrafitrasa AEP ao Marovoay sy Mahajanga. Nanotrona ny lanonana ireo manampahefana maro toy ny avy amin’ny DREAH, ny Faritra, ny Solombavambahoaka, ny Ben’ny Tanàna ary ny Chef Fokontany, niaraka tamin’ny solontenan’ny mpiara-miombon’antoka.
✅ Vokatra :
• Système d’AEP miisa 3 (forages misy paompy mandeha amin’ny herin’ny masoandro)
• Robinet miisa 12 isaky ny AEP
• Mpisitraka : olona miisa 2 400 amin’ny Fokontany 3 :
📍 Toerana misitraka :
• Mandrisoa – Croisement 12 (CU Marovoay)
• Bevovoka (CU Marovoay)
• Antanimalandy Centre (CU Mahajanga Ville)
Ireo fotodrafitrasa ireo dia manome vahaolana maharitra ho an’ny olan’ny rano amin’ireo Fokontany voakasika, manome rano fisotro madio sy azo antoka ho an’ny tokantrano an’arivony.
Mpiaramiombon’antoka : DIYANET VAKFI

À lire également

Fitsidihana fanarahamaso tampoka ny kalitaon-drano : Mandroseza

Rencontre entre le MEAH et la FAO – Vers un partenariat stratégique

Renforcement de la bonne gouvernance financière et de la transparence au MEAH