π…π€π‘πˆπ“π‘π€ π€π“π’πˆππ€ππ€ππ€: π‡πžπ­π¬π’π€πš π…πšπ§πšππ’π¨π―πšπ§πš 𝐭𝐞𝐧𝐲 𝐁𝐚𝐫𝐒𝐀𝐚𝐝𝐒𝐦𝐲

π…π€π‘πˆπ“π‘π€ π€π“π’πˆππ€ππ€ππ€: π‡πžπ­π¬π’π€πš π…πšπ§πšππ’π¨π―πšπ§πš 𝐭𝐞𝐧𝐲 𝐁𝐚𝐫𝐒𝐀𝐚𝐝𝐒𝐦𝐲
πŸ”ΉTaorian’ny fitsidihana sy hetsika fanentanana natao teny amin’ny Oniversiten’ Ankatso dia nanohy ny fampandraisana andraikitra teny amin’ny Oniversiten’ny Barikadimy, ny 𝟐𝟐 𝐦𝐞𝐲 πŸπŸŽπŸπŸ”, ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana,
𝐃𝐫 π‘π€π™π€π…πˆππƒπ‘πˆπ€ππˆπ€πˆππ€ 𝐌𝐒𝐧𝐨𝐬𝐨𝐚 π€π§π£πšπ«πšπ­π’πšπ§πš 𝐄π₯𝐒𝐚.
πŸ”ΉNandritra izany no nanolorana fitaovana fanadiovana ho an’ny mpianatra, ho fanamafisana ny ady amin’ny loto sy ny fampiroboroboana ny fahadiovana eny anivon’ny anjerimanontolo. Tsy nijanona teo amin’ny fanomezana fitaovana ihany anefa ny hetsika, fa nisy ihany koa ny fanentanana momba ny fiarovana sy fikajiana ireo fotodrafitrasa iombonana.
πŸ”ΉNotsindrian-dRamatoa Minisitra manokana ny maha-zava-dehibe ny fitsitsiana rano sy ny fitandroana sy fanajana ireo fotodrafitrasa iombonana, taorian’ny nahitana Β« robinet Β»misokatra ka nahatonga rano very fotsiny. Nambarany fa andraikitry ny rehetra ny miaro sy mitsitsy ny rano, satria harena iankinan’ny aina sy ny fahasalaman’ny besinimaro izany.
πŸ”ΉNanentana ireo mpianatra ihany koa izy mba hanana toe-tsaina tompon’andraikitra amin’ny fitandroana ny fahadiovana sy ny fanajana ny tontolo iainana, satria ny toeram-pianarana madio sy voakarakara dia manampy amin’ny fananganana tontolo mendrika hianarana sy hivelaran’ny tanora.

Γ€ lire Γ©galement

πŒπ€π‡π€πŒπ€π’πˆππ€ : ππŽπ‰π„π‘π„ππ€ 𝐍𝐘 π…π€ππƒπ‘πŽπ’πŽπ€πβ€™ππ˜ 𝐀𝐒𝐀 ππˆπ€π€πŸ

π•π€πŽπ•π€πŽπŒ-ππ€π‘πˆπ“π‘π€ πƒπˆπ€ππ€ : πŒπˆπ“πŽπŒππŽ 𝐍𝐘 π…π€π‡π€π™πŽπ€ππ€ π‘π€ππŽ π…πˆπ’πŽπ“π‘πŽ πŒπ€πƒπˆπŽ

π€πŠπŽπβ€™ππ˜ 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-π“π’π€πˆππ€ – πŽπŠπ“πŽππ‘π€ πŸπŸŽπŸπŸ”