ᴍᴀɴᴀᴍᴀꜰy ꜰɪᴀʀᴀʜᴀ-ᴍɪᴀꜱᴀ ʜᴏ ᴀɴ’ɴy ʀᴀɴᴏ ꜱy ꜰᴀʜᴀᴅɪᴏᴠᴀɴᴀ ɴy ᴍᴇᴀʜ ꜱy ᴜɴɪᴄᴇꜰ

ᴍᴀɴᴀᴍᴀꜰy ꜰɪᴀʀᴀʜᴀ-ᴍɪᴀꜱᴀ ʜᴏ ᴀɴ’ɴy ʀᴀɴᴏ ꜱy ꜰᴀʜᴀᴅɪᴏᴠᴀɴᴀ ɴy ᴍᴇᴀʜ ꜱy ᴜɴɪᴄᴇꜰ
🔹 Nanatanteraka fivoriana niaraka tamin’ny ekipan’ny 𝗨𝗡𝗜𝗖𝗘𝗙 ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, 𝘿𝙧 𝙍𝘼𝙕𝘼𝙁𝙄𝙉𝘿𝙍𝙄𝘼𝙉𝙄𝘼𝙄𝙉𝘼 𝙈𝙞𝙣𝙤𝙨𝙤𝙖 𝘼𝙣𝙟𝙖𝙧𝙖𝙩𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙀𝙡𝙞𝙖, mba handinihana ireo laharam-pahamehana amin’ny sehatry ny EAH.
🔹Nifantoka tamin’ny fanohanana ny fampahafantarana ny « 𝗰𝗼𝗱𝗲 𝗱𝗲 𝗹’𝗲𝗮𝘂 », izay hivoaka tsy ho ela, ny dinika. Noresahana ihany koa ny famolavolana fitaovana manara-penitra ho an’ny fifanarahana amin’ny fanolorana tolotra ho an’ny daholobe, anisan’izany ny torolalana mankany amin’ny fanaovan-tsonia sy ny modely fifanarahana.
🔹Ankoatra izany, nodinihina ny fanaraha-maso ny tetikasa fananterahana ny « système multi-usage, izay vatsian’ny MIONJO, ny fanamafisana ny ANDEA, ny fampiharana ny Politika nasionaly EAH, ary ny fanaparitahana ny fanabeazana WASH eny an-tsekoly.
🔹Nohamafisin’ity fihaonana ity ny finiavana iraisan’ny MEAH sy ny UNICEF hanamafy ny fiaraha-miasa, mba hanafaingana ny fahazoan’ny vahoaka malagasy rano fisotro madio sy tolotra fahadiovana maharitra.

À lire également

𝐌𝐀𝐇𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 : 𝐍𝐎𝐉𝐄𝐑𝐄𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐏𝐈𝐀𝐀𝟐

𝐕𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 : 𝐌𝐈𝐓𝐎𝐌𝐁𝐎 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐙𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐅𝐈𝐒𝐎𝐓𝐑𝐎 𝐌𝐀𝐃𝐈𝐎

𝐀𝐊𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀 – 𝐎𝐊𝐓𝐎𝐁𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔