Mitohy ny fandraisana ireo fotodrafitrasa manerana ny Nosy ho famatsiana rano fisotro madio ho an’ny mponina.
Noraisina vonjimaika ireo fotodrafitrasa famatsiana rano fisotro madio amin’ny alalan’ny FPMH (forage avec pompe à motricité humaine) miisa 9 nanomboka ny 23 desambra 2024 lasa teo tao amin’ny Faritra Menabe izay mitsinjara toy izao amin’ireto toerana manaraka ireto:
Distrikan’ny Morondava:
Kaominina Befasy, fokontany Betakilotra sy Belafika
Kaominina Analaiva, fokontany Bepeha, TVB4, « Zone de service »
Distrikan’ny Mahabo
Kaominina Ampanihy Fokontany Antseseha
Kaominina Ankilivalo Fokontany Soanafindra sy Antsondroky
Kaominina Befotaka Fokontany Andranovoribe.
Mahatratra 2500 no isan’ireo mponina hisitrika izao fotodrafitrasa vaovao izao, izay fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Rano sy ny UNICEF.





