Vaovaom-paritra MENABE

Mitohy ny fandraisana ireo fotodrafitrasa manerana ny Nosy ho famatsiana rano fisotro madio ho an’ny mponina.

Noraisina vonjimaika ireo fotodrafitrasa famatsiana rano fisotro madio amin’ny alalan’ny FPMH (forage avec pompe à motricité humaine) miisa 9 nanomboka ny 23 desambra 2024 lasa teo tao amin’ny Faritra Menabe izay mitsinjara toy izao amin’ireto toerana manaraka ireto:

‌Distrikan’ny Morondava:

Kaominina Befasy, fokontany Betakilotra sy Belafika

Kaominina Analaiva, fokontany Bepeha, TVB4, « Zone de service »

‌

Distrikan’ny Mahabo

Kaominina Ampanihy Fokontany Antseseha

Kaominina Ankilivalo Fokontany Soanafindra sy Antsondroky

Kaominina Befotaka Fokontany Andranovoribe.

Mahatratra 2500 no isan’ireo mponina hisitrika izao fotodrafitrasa vaovao izao, izay fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Rano sy ny UNICEF.

UNICEF Madagascar

À lire également

𝐌𝐀𝐇𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 : 𝐍𝐎𝐉𝐄𝐑𝐄𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐏𝐈𝐀𝐀𝟐

𝐕𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 : 𝐌𝐈𝐓𝐎𝐌𝐁𝐎 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐙𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐅𝐈𝐒𝐎𝐓𝐑𝐎 𝐌𝐀𝐃𝐈𝐎

𝐀𝐊𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀 – 𝐎𝐊𝐓𝐎𝐁𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔