Taorian’ny fitsirihana ireo fotodrafitrasa rano fanadiovana sy fidiovana izay tsy niasa nanomboka ny taona 2017 tao amin’ny Fokontany Nosikely, Kaominina Renivohitra Morondava, Faritra Menabe dia tontosa soamantsara ny asa fanavaozana izany fotodrafitrasa izany izay ahitana :
birao 01
kabone misy efitra 03 sy toerana famanizana
trano fidiovana 02
toerana fanasana tanana
Vinavinaina ho mponina 1000 mahery no hisitraka izany fotodrafitrasa izany. Ny tanjona dia ny hisoroana tsikelikely amin’ny fangerena ankalamanjana.
Nanolotra fitaovana toy ny bonbonne, siny ary zinga ihany koa ny Fitaleavam-paritra ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana ao Menabe hampiasaina ao amin’ny fotodrafitrasa.




