Tontosa androany faha 06 Desambra 2024 ny Fandraisana ara – teknika Fotodrafitrasa Rano Fisotro Madio tao aminy Fokontany Soatana Morlot, Kaominina Isalo, Distrika Miandrivazo, Faritra Menabe izay niarahan’ny Fitaleavm-paritra ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, ny ekipan’ny Helvetas Menabe ary ny Ben’ny Tanana mpisolo toerana.
Fotodrafitrasa izay ahitana:
fitahirizan-drano
fitaritan-drano
paompy miisa 06
lava-drano miaraka amin’ny “panneau solaire”
efitrano fikirakirana ny ara-teknika
Vinavinaina ho 1200 eo ny mponina hisitraka izany rano fisotro madio izany any an-toerana.




