Tontosa ny 28 novambra 2024 ny fandraisana vonjimaika ny asa fanamboarana trano Fanadiovana sy Fidiovana tao amin’ny EPP Antsatsaka (Kaominina Ambanivohitra Antsatsaka, distrikan’Ambanja), niarahana tamin’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritra ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana ao DIANA, ny mpamatsy ara-bola ny tetikasa Helvetas.
Fotodrafitrasa ahitana:
Kabone 2, Famanizana 1,
Toerana fanasana tanana misy paompy 4 ho an’ny ankizilahy;
Kabone 1 natokana ho an’ny olona manana fahasembanana;
Kabone 2, trano fidiovana 1, famanizana 1 mizara 4;
Toerana fanasana Tanana misy paompy 4 ho an’ny zazavavy ;
Toerana fanariana fako iray.









