Notanterahina tamin’ity 09 Mey 2025 ity ny fandraisana ara-teknika ilay toeram-pidiovana vaovao tao Arivonimamo II, izay notohanan’ny tetikasa PAGLI.
Ity fotodrafitrasa ity dia ahitana:
- Trano fidiovana 1,
- Trano fivoahana 3, 1 ho an’ny sembana,
- ary efitra fandraisana ho fanamoràna ny fandraisana an’ireo mpila raharaha.
Natao indrindra ho fanatsarana ny fahadiovana sy ny fidirana amin’ny fotodrafitrasa ho an’ireo mponina manodidina, indrindra eny amin’ny Kaominina Arivonimamo Ambanivohitra, CSB, ary ny biraom-panjakana sy toeram-pivarotana eo Antaboaka.
Tafiditra amin’ny fiaraha-mientan’ny vahoaka, ny Kaominina, ary ny tetikasa PAGLI eto amin’ny Faritra Itasy no nahafahana nanatanteraka ity asa soa ity.




