Taorian’ny fanomezana nataon’Andriamatoa Andry Rajoelina, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, ireo kamiao 18 mpitatitra rano fisotro madio, mba hanampy amin’ny fiatrehana ny mety ho fikorontanan’ny famatsiana rano eto Antananarivo noho ny:
- Asa fanavaozana tanteraka ny fotodrafitrasa, ary
- Loza ateraky ny hain-tany ho avy.
🙏 Ny Minisitry ny Rano, Fanadiovana ary Fidiovana, Lalaina Andrianamelasoa, dia nanao fisaorana manokana ho an’ireo mpamily kamiao ny Alarobia 13 Aogositra 2025.
✨ Noentiny nanamafy fa:
- Tsy ny mpamily ihany no asiana fankasitrahana, fa koa ny mponina any amin’ny faritra niavian’izy ireo tsirairay avy.
- Zava-dehibe iankinan’ny aina ny asa vitan’izy ireo teto an-dRenivohitra.
🤝 Niarahaba sy nankahery ireo mpamily sy ny JIRAMA ihany koa ny Minisitra, ary nanome toky fa mbola hitohy hatrany ny fiaraha-miatrika amin’ny Ministera.
💦 Mandritra ny fotoanan’ny asa fanarenana:
🚚 Kamiao 28 avy amin’ny JIRAMA no mbola manohy manatitra rano fisotro madio eny amin’ireo sinibe sy toerana tsy todin’ny rano,
✅ Ary tohanan’ny Ministeran’ny Rano, Fanadiovana ary Fidiovana izany hetsika izany.









