Nanolotra amin’ny fomba ofisialy ny fitantanana ny AEP Analamahitsy Cité ho an’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Minisitry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, Dr RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia. Tokantrano maherin’ny 100 no hisitraka izany. Ity fotodrafitrasa ity dia isan’ireo « forage de proximité » miisa 21 manerana an’i Antananarivo.
Taorian’izay dia nitsidika ny asa fanamboarana ny tobi-pamokarana rano vaovao ao Mandroseza Ramatoa Ministra, niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA, Andriamatoa RON Weiss, sy ireo ekipa teknika. Ireo asa ireo dia tafiditra anatin’ny tetikasa PAAEP, vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola, ho fanatsarana ny famokarana sy famatsiana rano eto an-drenivohitra.


