Ho fiomanana amin’ny vanim-potoanan’ny haintany: Nidina ifotony ny Minisitry ny Rano nijery akaiky ireo « Groupe Electrogène de Secours » vaovao

Ho fiomanana sahady amin’ny vanim-potoanan’ny haintany, groupe électrogène de secours miisa 25 no natolotr’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA, tamin’ny volana Aprily lasa teo nandritry ny Herinandro Nasionaly momba ny Rano izay fiarahamiasa tamin’ny Banky iraisampirenena.
Ireo groupe électrogène de secours (GES) ireo dia apetraka eto Antananarivo sy ny manodidina ka hanome herinaratra raha sendra misy fahatapahana, mba hahafahan’ny tobim-pamokarana rano manohy ny asany tsy misy fitsaharana.
Ny 6 Aogositra 2025, Andriamatoa Minisitry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, niaraka tamin’ireo teknisianin’ny Ministera, ny PAAEP ary ny JIRAMA, dia nidina ifotony nanara-maso ny fametrahana sy fandehanan’ireo GES tao Amoronakona, Mandikanamana ary tao amin’ny Captage Ikopa, izay mahatratra 750 kVA ary mamokatra hatramin’ny 192 000 m3/j raha tsy misy fatapahana.

À lire également

𝐌𝐀𝐇𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 : 𝐍𝐎𝐉𝐄𝐑𝐄𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐏𝐈𝐀𝐀𝟐

𝐕𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 : 𝐌𝐈𝐓𝐎𝐌𝐁𝐎 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐙𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐅𝐈𝐒𝐎𝐓𝐑𝐎 𝐌𝐀𝐃𝐈𝐎

𝐀𝐊𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀 – 𝐎𝐊𝐓𝐎𝐁𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔