Fitsidihana tampoka ny fizotran’asa fanavaozana fotodrafitrasa rano fisotro madio

25 Avrily 2025 – Nanatateraka fidinana ifotony tampoka tao Tsiroanomandidy ny Minisiteran’ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana izay notarihin’ Andriamaroa MARA Herinirina Romuald Tale Jeneralin’ny Rano, niaraka tamin’ny Ben’ny Tanana tao an-toerana sy ny Fitaleavam-paritrin’ny rano ao Bongolava.
Tsapa nandritra izany fa mizotra araky ny tokony ho izy ny asa, ary ho tratra alohan’ny volana Jona ny fahavitan’ny dingana voalohany, izay hitondra fiovana amin’ny ampahany ny famantsian-drano ao Tsiroanomandidy Renivohitra.
Nanambara moa ny Tale Jeneraly fa laharampahamehan’ny fitondram-panjakana ny famantsian-drano fisotro madio manerana ny nosy ary hentitra araky izany Andriamatoa Minisitry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana amin’ny fanantanterahana amin’ny antsakany sy andavany ny asa rehetra.

À lire également

𝐌𝐀𝐇𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 : 𝐍𝐎𝐉𝐄𝐑𝐄𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐏𝐈𝐀𝐀𝟐

𝐕𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 : 𝐌𝐈𝐓𝐎𝐌𝐁𝐎 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐙𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐅𝐈𝐒𝐎𝐓𝐑𝐎 𝐌𝐀𝐃𝐈𝐎

𝐀𝐊𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀 – 𝐎𝐊𝐓𝐎𝐁𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔