Fitsidihana tampoka ny fizotran’asa fanavaozana fotodrafitrasa rano fisotro madio

25 Avrily 2025 – Nanatateraka fidinana ifotony tampoka tao Tsiroanomandidy ny Minisiteran’ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana izay notarihin’ Andriamaroa MARA Herinirina Romuald Tale Jeneralin’ny Rano, niaraka tamin’ny Ben’ny Tanana tao an-toerana sy ny Fitaleavam-paritrin’ny rano ao Bongolava.
Tsapa nandritra izany fa mizotra araky ny tokony ho izy ny asa, ary ho tratra alohan’ny volana Jona ny fahavitan’ny dingana voalohany, izay hitondra fiovana amin’ny ampahany ny famantsian-drano ao Tsiroanomandidy Renivohitra.
Nanambara moa ny Tale Jeneraly fa laharampahamehan’ny fitondram-panjakana ny famantsian-drano fisotro madio manerana ny nosy ary hentitra araky izany Andriamatoa Minisitry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana amin’ny fanantanterahana amin’ny antsakany sy andavany ny asa rehetra.

À lire également

Pose de la première pierre à Mandroseza

LANCEMENT OFFICIEL DE LA SEMAINE NATIONALE DE L’EAU – 16 AVRIL 2025

Salon déchets – « Alternatives écologiques »