Ny 13 septambra 2025, ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, niaraka tamin’ny ekipany, dia nanao fidinana fanarahamaso tampoka nijery ny tobi-pamokarana rano fisotro madio an’ny JIRAMA tao Mandroseza.
✅ Vita ny fanandramana kalitaon-drano ary voamarina fa madio sy mahafeno fepetra ny rano vokarin’ny toby Mandroseza I sy II.
Notsirihana ihany koa ny « stocks d’intrants de traitement d’eau » , ary hita fa ampy tsara ho an’ny volana maromaro ho avy izany.
Isika moa izao dia anaty asa fanarenana hatrany, indrindra ireo fantsona simba, izay mety hiteraka loto any anaty rano mivoaka amin’ny robinet any an-tokantrano.
Nanome toromarika Andriamatoa Minisitra fa mila mandray fepetra avy hatrany rehefa misy ny tranga hita, midina manara-maso sy manafaingana ny asa fanarenana ary manadio ireo fitehirizan-drano voakasika.






