Fitovinany : fanombohana ireo asa fanatsarana goavana amin’ny famatsiana rano fisotro madio

Notontosaina ny 29 Aogositra 2025 tao Manakarabe ny lanonana fanombohana ny asa fanarenana, fanatsarana ary fanitarana ny fotodrafitrasa famatsiana rano fisotro madio ho an’ny Kaominina ambonivohitr’i Manakara. Nitarika izany Andriamatoa Minisitry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, notronin’ireo manampahefana sy solontenam-bahoaka maro.
Araka ny fanazavan’ny Ministra, taorian’ny fifampidinihana maro niarahana tamin’ny Banky Iraisam-pirenena dia tonga amin’izao dingana fanatanterahana izao ny tetikasa PAAEP. Nanentana ny mponina izy mba hifanome tanana sy hahay hifandefitra, manoloana ny fanelingelenana sy fikorontanana mety hitranga ateraky ny asa.
Vokatra andrasana: hitombo avo telo heny ny rano hovokarina.
🛠️ Asa hatao:
• Fametrahana fantsona mirefy 20 km
• Fanatsarana ny station de traitement efa misy
• Fametrahana siniben-drano 1 400 m³
• Fananganana fotodrafitrasa vaovao hakana sy hanadiovana rano
Nisy ihany koa ny fisaorana sy tsodrano nataon’ny solontenan’ny Ambanjaka, nitso-drano ny asa mba haharitra sy hahomby, ary hisy fiarovana ny mpiasa sy ny fitaovana ampiasaina.

À lire également

𝐌𝐀𝐇𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 : 𝐍𝐎𝐉𝐄𝐑𝐄𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐏𝐈𝐀𝐀𝟐

𝐕𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 : 𝐌𝐈𝐓𝐎𝐌𝐁𝐎 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐙𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐅𝐈𝐒𝐎𝐓𝐑𝐎 𝐌𝐀𝐃𝐈𝐎

𝐀𝐊𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀 – 𝐎𝐊𝐓𝐎𝐁𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔