Nanatanteraka fidinana ifotony tany amin’ny tobim-pamokarana rano JIRAMA Lanirano Ramatoa Minisitra Dr RAZAFINDRIAINIANA Minosoa Anjaratiana Elia, niaraka tamin’ireo solotenam-panjakana, olom-boafidy ary olom-boatendry ao Taolagnaro.
Nandritra izany dia noraisina an-tanana avy hatrany ny fitakiana momba ny tsy fahampian-drano, taorian’ny tatitra nataon’ny solombavambahoakan’i Madagasikara Atoa CHABANI Nourdine. Nanapaka avy hatrany Ramatoa Minisitra, ny fanoloana sy fanamboarana fantsona mirefy 2 km izay voalaza fa isan’ny antony nahatonga ny olana tamin’ny famatsiana rano.
🔹Mikasika ny lafiny kalitaon’ny rano, dia efa nisy ny fitiliana natao ary hatsangana ihany koa ny Komity mpanara-maso ny fanatsarana ny kalitaon’ny rano, ka ahitana solontena avy amin’ny ara-drazana, ny MEAH, ny MEDD, ny MINSANP, ary ny vahoaka. Tanjon’ity rafitra ity ny hahazoana antoka fa madio sy ara-pahasalamana ny rano ho an’ny mponina.









