Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy ny asa fanitarana ny tambajotra rano fisotro madio ao amin’ny Kaominina Ambano, Distrikan’Antsirabe II. Ireo mponina ao amin’ny Fokontany Analanilemana sy Soanitoizana no isan’ny hahazo tombontsoa voalohany amin’izany.
➡️ Tanjon’ny asa : hampidirana rano fisotro madio hatrany an-tokantrano vaovao miisa 200 (200 BP), ho fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina. Nisolo tena sy nanatrika ity fanombohana ity ny DREAH Vakinankaratra, ny Ben’ny Tanàna, ny Entreprise mpanatanteraka ary ireo mpiara-miombon’antoka izay manohana ny tetikasa.





