Fanombohana ny asa fanamboarana ho an’ny famatsiana rano fisotro madio Faritra Vatovavy

Ny 28 Aogositra 2025, notarihan’Andriamatoa Minisitra niara-dia tamin’ireo Mpandrindra ny tetikasa PAAEP, dia nanomboka tamin’ny fomba ofisialy ny asa fametrahana ireo fantsona vaovao, amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana ho amin’ny famatsiana rano fisotro madio, fiarahamiasa amin’ny Banky Iraisampirenena. Nanome voninahitra izany ireo olom-boafidy sy tompon’andraikitra tany an-toerana.
✨ Zava-dehibe notanterahina :
🔹 Fametrahana ireo fantsona mirefy 17km , niaraka tamin’ireo Ampanjaka izay nanome tso-drano ny tetikasa tao Mananjary.
🔹 Fitsidihana ny toerana hametrahana ny fotodrafitr’asa tao amin’ny CR Tsaravary, izay hisintomana ny rano hamatsy ny tananan’ny Mananjary.
🔆 Dingana lehibe izao ho an’ny fiantohana rano fisotro madio ho an’ny mponina ao an-toerana.

À lire également

𝐌𝐀𝐇𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 : 𝐍𝐎𝐉𝐄𝐑𝐄𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐏𝐈𝐀𝐀𝟐

𝐕𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 : 𝐌𝐈𝐓𝐎𝐌𝐁𝐎 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐙𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐅𝐈𝐒𝐎𝐓𝐑𝐎 𝐌𝐀𝐃𝐈𝐎

𝐀𝐊𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀 – 𝐎𝐊𝐓𝐎𝐁𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔