Fanaraha-maso aoriana amin’ny tetikasa AEP Amborovy : Natao hijerena ny fahavitan’ny asa sy ny fanarahan-dalàna

Ho fanohizana ny fanamarinana natao tamin’ny taona 2024 mikasika ny tetikasa AEP Amborovy, dia notanterahina ny 29 aprily 2025 teo ny « contrôle a posteriori » natao hijerena ny fahavitan’ny asa.

Tetikasa notohanan’ny RPI ary notarihin’ireo avy ao amin’ny DGCF, ka tafiditra tamin’izany ny Inspecteur Général de l’État sy ny Contrôleur. Nandray anjara tamin’ity fanaraha-maso ity ny tekinisianina avy any amin’ny Ministera foibe sy ny fitaleavam-paritry ny BOENY.

Tamin’ny ankapobeny dia vita sy mifanaraka amin’ny fepetra voalaza ao anaty tsenam-panjakana ny asa. Taorian’izany dia notanterahina ny fandrafetana sy fanasoniana ny procès-verbal tao amin’ny biraon’ny DREAH.

À lire également

𝐌𝐀𝐇𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 : 𝐍𝐎𝐉𝐄𝐑𝐄𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐏𝐈𝐀𝐀𝟐

𝐕𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 : 𝐌𝐈𝐓𝐎𝐌𝐁𝐎 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐙𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐅𝐈𝐒𝐎𝐓𝐑𝐎 𝐌𝐀𝐃𝐈𝐎

𝐀𝐊𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀 – 𝐎𝐊𝐓𝐎𝐁𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔