Notanterahina ny 16 Desambra 2024 tao Andekaleka Faritra Atsinanana, ny hetsika fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2024-2025 izay teo ambany fitarihan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA sy Andriamatoa Praiminisitra NTSAY Christian.
Araka ny lohahevitra noraisina « Ny Ala, antoky ny Rano sy ny Angovo » dia nitondra ny anjara birikiny amin’ity fambolen-kazo ity Andriamatoa ANDRIANAMELASOA Lalaina Minisitry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana niaraka tamin’ireo delegasionina eo anivon’ny Ministera.
Zana-kazo miisa 80 000 isa no novolena nahitana karazany 37 isa tamin’ny velaratany 50 Ha.
Marihina fa fanokafana nasionaly ity notanterahina tany Andekaleka ity fa mbola hisy kosa ny fanokafana isam-paritra.








