๐Tsiroanomandidy – 14 – 18 Jolay 2025
Taorianโny faritra maro efa nandray anjara taminโny fiofanana SE&SAM dia tonga ankehitriny ny anjaranโi Tsiroanomandidy.
Ny alatsinainy 14 jolay 2025, no nanokafana taminโny fomba ofisialy ity fiofanana ity, izay nosokafanโAndriamatoa Lalaina ANDRIANAMELASOA, Minisitry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana.
Nanome voninahitra sy nanatrika ny lanonana ihany koa ireo manam-pahefana tany an-toerana, niaraka taminโny fitaleavam-paritry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana Bongolava.
๐ฏ Ireo mpiofana no tompon’andraikitra amin’ny fanangonana, fikirakirana, fitantanana ary fizarana tahirin-kevitra mifandraika aminโny SE&SAM eny anivonโny kaominina tsirairay.






