Nanomboka ny 12 mey 2025 tao Fianarantsoa ny fampiofanana ho an’ireo mpampiofana momba ny rafitra SE&AM (Système de Suivi de l’Eau, de l’Assainissement et de l’Hygiène à Madagascar) ho an’ny Faritra Matsiatra Ambony, niarahana tamin’ny tetikasa PAAEP (Projet d’Amélioration de l’Accès à l’Eau Potable de Madagascar).
Tonga nanokatra sy nanome lanja ny hetsika ny Prefen’i Fianarantsoa sy ny Ben’ny Tanàna, ho fanohanana ny fanatsarana ny fahaiza-manao eny anivon’ny sehatra ifotony.
Ity fiofanana izay haharitra 5 andro ity dia tafiditra anatin’ny ezaka manerana an’i Madagasikara hampiroboroboana ny fanjohiana sy fanombanana ny asa amin’ny sehatry ny Rano, Fahadiovana ary Fidiovana (EAH). Tanjona ny hanatsara ny fandraisana fanapahan-kevitra, amin’ny alalan’ny antontan-kevitra marina sy azo itokisana.




















