Fampiofanana ho an’ireo Mpampiofana SE&AM – Faritra Atsimo Antsinanana

Ho tohiny ny fampiofanana ho an’ireo mpampiofana SE&AM izay natomboka niarahana tamin’ny tetikasa PAAEP sy UNICEF, dia Farafangana – Faritra Atsimo Atsinanana indray no nandray izany, nanomboka ny 26 ka hatramin’ny 30 mey 2025.
👤 Tonga nanotrona ny atrikasa Andriamatoa Minisitry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, izay nanambara fa “mila avondrona ny herin’ny rehetra ho entina mampandroso ny sehatra”, ary maneho indrindra izany izao fiaraha-mientana ataon’ny rehetra amin’ny fampandehanana ny SE&AM.
👥 Ity fiofanana ity dia natrehin’ireo teknisiana sy mpiara-miombon’antoka eo amin’ny sehatry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, notarihin’ireo tomponandraikitra avy amin’ny Minisitera foibe sy ny Fitaleavam-paritra.
✅ Hatreto dia efa faritra 8 no nahavita ny fiofanana: Boeny, Diana, Haute Matsiatra, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Atsimo Andrefana, SAVA ary Atsimo Atsinanana.
📊 Ireo mpiofana dia hiandraikitra ny fanapariahana sy ny fanangonana ireo tahirin-kevitra ho an’ny SE&AM eny anivon’ny kaominina tsirairay ».
🔜 Hitohy tsy ho ela ny fiofanana ho an’ireo faritra sisa manerana an’i Madagasikara, ho fanamafisana ny rafitra SE&AM sy fanatsarana ny fitantanana ny sehatra WASH eto amin’ny Nosy.

À lire également

𝐌𝐀𝐇𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 : 𝐍𝐎𝐉𝐄𝐑𝐄𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐏𝐈𝐀𝐀𝟐

𝐕𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 : 𝐌𝐈𝐓𝐎𝐌𝐁𝐎 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐙𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐅𝐈𝐒𝐎𝐓𝐑𝐎 𝐌𝐀𝐃𝐈𝐎

𝐀𝐊𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀 – 𝐎𝐊𝐓𝐎𝐁𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔