Fampandehanana ny Pipeline Mandrare–Sampona : Nisongadina ny fidinana ifotony tao Anôsy

Nisongadina anio ny fidinana ifotony nataon-dRamatoa Minisitry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana Dr RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia, tao amin’ny Faritra Anôsy, niaraka tamin’ny mpanolotsain’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, ary ireo olomboafidy sy olomboatendry ao an-toerana.
Teboka lehibe tamin’ny hetsika ity dia ny fampandehanana ny pipeline Mandrare – Sampona, fotodrafitrasa lehibe miantoka ny fahatongavan’ny Rano fisotro madio ho an’ireo mponina maro ao amin’ny Faritra Atsimo.
Nampahatsiahivin-dRamatoa Ministra fa tokony hatao vaindohan-draharaha ny fiarovana sy ny fikajiana ireo fotodrafitrasa :“Miantoka mivantana ny ain’ny vahoaka ny Rano fisotro madio. Mila mifanome tanana isika hiaro ireo fotodrafitrasa mba hateza.”
Efa betsaka ny mponina no misitraka ny tombontsoa azo avy amin’ity tetikasa goavana 𝐡𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐭𝐞𝐫𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐌𝐈𝐎𝐍𝐉𝐎 𝐢𝐳𝐚𝐲 𝐯𝐚𝐭𝐬𝐢𝐧𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐁𝐚𝐧𝐤𝐲 𝐈𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐯𝐨𝐥𝐚, manomboka eto Amboasary Atsimo ka hatrany Sampona raha ny faritra Anôsy.

À lire également

𝐌𝐀𝐇𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 : 𝐍𝐎𝐉𝐄𝐑𝐄𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐏𝐈𝐀𝐀𝟐

𝐕𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 : 𝐌𝐈𝐓𝐎𝐌𝐁𝐎 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐙𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐅𝐈𝐒𝐎𝐓𝐑𝐎 𝐌𝐀𝐃𝐈𝐎

𝐀𝐊𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀 – 𝐎𝐊𝐓𝐎𝐁𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔