Fankalazana Nasionaly ny faha 10 taona ny andro manerantany ho an’ny fidiovana mandritry ny fadimbolana : hetsika famaranana ny fankalazana .
Notanterahina ny Zoma 07 Jona 2024 tao Toliara ny hetsika famaranana ny fankalazana nasionaly ny andro manerantany ho an’ny fidiovana mandritry ny fadimbolana teo ambany fitarihan’Andriamatoa Fidiniavo RAVOKATRA, Minisitry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana izay notronon’ny Ramatoa Christine Jaulmes, solotenan’ny UNICEF eto Madagasikara sy ny ireo tompon’andraikitra isantsokajiny, ary ireo mpiaramiombon’antoka ara-teknika sy ara-bola sy ny mponina.
« Ndao hiara-hientana am-pifaliana, hanampy ny vehivavy hiatrika ny fadimbolana am-pitoniana », no lohahevitra ho an’ity taona ity. Ny hetsika tamin’io andro io dia natomboka tamin’ny diabe izay niainga teo amin’ny biraon’ny kaominina Tsimenatse nihazo tany Ankilisoafilira. Nandray anjara tamin’izany avokoa ireo hery velona samihafa manamarika ny firaisan-kina manoloana ny fidiovana mandritry ny fadimbolana.
Raha nialohavana hetsika maro samihafa nanomboka ny 5 sy 6 Jona ny fankalazana, nahitana fahombiazana tanteraka izany satria hita taratra ny fandraisan’ny rehetra anjara mavitrika ary ny fiombonan-kevitra amin’ny fiovana ny toe-tsaina manoloana ny fadimbolana ny eo anivon’ny fiarahamonina, indrindra ny vehivavy tanora.
Nanentana ny rehetra ihany koa Andriamatoa Minisitra Fidiniavo RAVOKATRA, amin’ny fitantanana ny fidiovana mandritry ny fadimbolana, ny maha zava-dehibe ny hafatra ampitaina mba hiparitaka eran’ny Madagasikara sy izao tontolo izao fa fotoana izao mba hiresahana ankariary sy hamahana ny fady amin’izany fadimbolana izany.










