Tonga aminโny tanjona iray lehibe eo aminโny sehatry ny fahadiovana sy ny fahasalamana ny Kaominina Amboasary Atsimo! Vita soamantsara ny 26 Jolay 2025 ny Fandraisana vonjimaika ny trano fidiovana vaovao tao an-toerana.
๐ Ity no foto-drafitrโasa voalohany aminโny karazany toy izao ato anatinโny DistrikanโAmboasary Atsimo. Ho vahaolana goavana aminโny fangerena an-kalamanjana izy ity, araka ny fanambaranโny Benโny Tanร na, ary ho entanina ny rehetra mba hampiasa sy hahay hikolokolo ny fotodrafitrasa.
๐ Afa-pahasahiranana ihany koa ny mpivahiny eo an-toerana aminโny fahafahana misitraka toerana madio sy ara-dalร na. Naneho fisaorana sy fankasitrahana ho anโny Fitondram-panjakana ireo mponina nisitraka mivantana ity fotodrafitrasa manan-danja ity.









