π…πˆπ‡π€πŽππ€πβ€™ππ˜ π†πŽπ•π„π‘ππ„πŒπ€ππ“π€ π’π˜ πˆπ‘π„πŽ π’πŽπ‹πŽπŒππ€π•π€πŒππ€π‡πŽπ€πŠπ€ : ππ€ππ€πŒπ€π…π˜ πˆπ‘π„πŽ π„π™π€πŠπ€ ππ€π“π€πŽ π‡πŽ 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 π‘π€ππŽ, 𝐍𝐘 π…π€ππ€πƒπˆπŽπ•π€ππ€ π€π‘π˜ 𝐍𝐘 π…πˆπƒπˆπŽπ•π€ππ€ π„π“πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ ππŽπ’π˜ 𝐍𝐘 πŒπ„π€π‡

π…πˆπ‡π€πŽππ€πβ€™ππ˜ π†πŽπ•π„π‘ππ„πŒπ€ππ“π€ π’π˜ πˆπ‘π„πŽ π’πŽπ‹πŽπŒππ€π•π€πŒππ€π‡πŽπ€πŠπ€ : ππ€ππ€πŒπ€π…π˜ πˆπ‘π„πŽ π„π™π€πŠπ€ ππ€π“π€πŽ π‡πŽ 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 π‘π€ππŽ, 𝐍𝐘 π…π€ππ€πƒπˆπŽπ•π€ππ€ π€π‘π˜ 𝐍𝐘 π…πˆπƒπˆπŽπ•π€ππ€ π„π“πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ ππŽπ’π˜ 𝐍𝐘 πŒπ„π€π‡
πŸ”ΉNitohy ny 03 Jolay 2026 tao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny fihaonana mivantana teo amin’ny Governemanta sy ireo Solombavambahoaka, izay namalian’ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, π˜Ώπ™§ π™π˜Όπ™•π˜Όπ™π™„π™‰π˜Ώπ™π™„π˜Όπ™‰π™„π˜Όπ™„π™‰π˜Ό π™ˆπ™žπ™£π™€π™¨π™€π™– π˜Όπ™£π™Ÿπ™–π™§π™–π™©π™žπ™–π™£π™– π™€π™‘π™žπ™–, ireo fanontaniana sy fangatahana mikasika ny sehatry ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana. Nohamafisiny fa laharam-pahamehan’ny MEAH ny fifampihainoana amin’ireo Solombavambahoaka, satria izy ireo no mampita mivantana ny filΓ n’ny vahoaka eny ifotony.
πŸ”ΉFanontaniana, fangatahana ary fisaorana 66 no voaray nandritra ity fihaonana ity. Amin’izany, :
▢️ 30 no efa tafiditra ao anatin’ny LFI 2026, ny tetikasa PAAEP na fandaharanasa efa tanterahina,
▢️ 23 kosa no hodinihina ao anatin’ny LFI 2027 na amin’ny alalan’ny vahaolana hafa,
▢️ 13 no fisaorana noho ireo tetikasa efa vita sy efa miroso any amin’ny distrika maro.
πŸ”ΉNotsiahivin-dRamatoa Minisitra ihany koa fa amin’ireo fangatahana 155 voaray tamin’ny fihaonan’ny teo anivon’ny Governemanta sy ireo Solombavambahoaka tamin’ny faran’ny taona 2025 dia 96 no efa voavaly na efa eo am-panatanterahana, ary amin’ireo fangatahana 14 voaray tamin’ny volana Jona 2026 dia 10 no hanomboka hotanterahina amin’ity taona ity.
πŸ”ΉNasongadiny ihany koa ireo vokatra mivaingana efa tratra, ka fotodrafitrasa rano fisotro madio miisa 𝟏 πŸπŸ—πŸ no naorina sy nohavaozina manerana ny Faritra 24, nahafahan’ny olona maherin’ny 𝟏,𝟏𝟐 𝐭𝐚𝐩𝐒𝐭𝐫𝐒𝐬𝐚 misitraka rano fisotro madio. Na mbola betsaka aza ny fanamby sy voafetra ny tetibola, dia mitohy ny ezaky ny Governemanta amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny tetikasa PAAEP, ny fananganana fotodrafitrasa vaovao ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombonantoka, ho fanatsarana hatrany ny tolotra rano, fanadiovana ary fidiovana ho an’ny Malagasy.

Γ€ lire Γ©galement

πŒπ€π‡π€πŒπ€π’πˆππ€ : ππŽπ‰π„π‘π„ππ€ 𝐍𝐘 π…π€ππƒπ‘πŽπ’πŽπ€πβ€™ππ˜ 𝐀𝐒𝐀 ππˆπ€π€πŸ

π•π€πŽπ•π€πŽπŒ-ππ€π‘πˆπ“π‘π€ πƒπˆπ€ππ€ : πŒπˆπ“πŽπŒππŽ 𝐍𝐘 π…π€π‡π€π™πŽπ€ππ€ π‘π€ππŽ π…πˆπ’πŽπ“π‘πŽ πŒπ€πƒπˆπŽ

π€πŠπŽπβ€™ππ˜ 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-π“π’π€πˆππ€ – πŽπŠπ“πŽππ‘π€ πŸπŸŽπŸπŸ”