πŽπ‘π„π€ : πŒπ€ππ€πŒπ€π‘πˆπŠπ€ πƒπˆππ†π€ππ€ π•π€πŽπ•π€πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ π…π€ππ€π‘π€π‡π€πŒπ€π’πŽ π’π˜ 𝐍𝐘 π…πˆπ“π€ππ“π€ππ€ππ€ 𝐍𝐘 π‘π€ππŽ π’π˜ 𝐍𝐘 π…π€ππ€πƒπˆπŽπ•π€ππ€

πŽπ‘π„π€ : πŒπ€ππ€πŒπ€π‘πˆπŠπ€ πƒπˆππ†π€ππ€ π•π€πŽπ•π€πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ π…π€ππ€π‘π€π‡π€πŒπ€π’πŽ π’π˜ 𝐍𝐘 π…πˆπ“π€ππ“π€ππ€ππ€ 𝐍𝐘 π‘π€ππŽ π’π˜ 𝐍𝐘 π…π€ππ€πƒπˆπŽπ•π€ππ€
πŸ”ΉHo fanatsarana hatrany ny fitantanana ny asam-bahoaka momba ny rano sy ny fanadiovana, ary ho fanatrarana 𝐧𝐲 πŽπƒπƒ πŸ”, 𝐧𝐲 𝐏𝐆𝐄 𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐏𝐍𝐄𝐀𝐇, dia natsangana tamin’ny alalan’ny LalΓ na laharana πŸπŸŽπŸπŸ“-πŸŽπŸπŸ” tamin’ny 5 Martsa 2026, 𝐦𝐒𝐟𝐞𝐑𝐲 𝐧𝐲 π‘πšπ§π¨, ny Β« π™Šπ™§π™œπ™–π™£π™žπ™¨π™’π™š π™Γ©π™œπ™ͺπ™‘π™–π™©π™šπ™ͺ𝙧 𝙙π™ͺ π™Žπ™šπ™§π™«π™žπ™˜π™š 𝙋π™ͺπ™—π™‘π™žπ™˜ π™™π™š 𝙑’𝙀𝙖π™ͺ π™šπ™© π™™π™š π™‘β€™π˜Όπ™¨π™¨π™–π™žπ™£π™žπ™¨π™¨π™šπ™’π™šπ™£π™© Β» (OREA).
πŸ”ΉEo ambany fiahiana ara-teknikan’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana (MEAH), ny OREA dia manana andraikitra lehibe amin’ny fandrindrana, fanaraha-maso ary fanatsarana ny asam-bahoaka momba ny rano sy ny fanadiovana.
πŸ”ΉAnisan’ny dingana lehibe amin’izany ny fanatanterahana ny andrana ara-teknika ny rindrambaiko π’π„π’π€πŒ nohavaozina. Ity fitaovana nomerika ity dia natao hanampiana ny OREA amin’ny fanaraha-maso akaiky kokoa ny fahaiza-mitantana sy ny fahombiazan’ireo mpitantana fotodrafitrasa famatsian-drano.
πŸ”ΉEfa notanterahina tany amin’ny Faritra Boeny sy Atsimo-Andrefana ny dingana voalohany, ary vao avy nofaranana tany amin’ny Faritra Anosy sy Androy izany.
πŸ”ΉNiompana tamin’ny atrikasa sy fidinana ifotony ireo andrana ireo, niarahana tamin’ny ekipan’ny MEAH, ireo Kaominina tompon’andraikitra ary ireo mpitantana fotodrafitrasa. Nahafahana nanangona ihany koa ny soso-kevitra sy ny fanamarihan’ireo mpisehatra eny ifotony, mba hanatsarana ny rindrambaiko sy hampifanarahana azy amin’ny drafitra fifanarahana fitantanana ifanaovan’ny Kaominina sy ny mpitantana.
πŸ”ΉDingana iray lehibe ho amin’ny fitantanana mangarahara, mahomby ary mifototra amin’ny angon-drakitra ny fanavaozana ny rafitra fanaraha-maso.
πŸ”ΉHivoaka tsy ho ela ny dika faran’ny rindrambaiko SESAM, izay hampiasaina hanamafisana bebe kokoa ny fanaraha-maso sy ny fanombanana ny fitantanana ny tolotra momba ny rano sy ny fanadiovana.

Γ€ lire Γ©galement

πŒπ€π‡π€πŒπ€π’πˆππ€ : ππŽπ‰π„π‘π„ππ€ 𝐍𝐘 π…π€ππƒπ‘πŽπ’πŽπ€πβ€™ππ˜ 𝐀𝐒𝐀 ππˆπ€π€πŸ

π•π€πŽπ•π€πŽπŒ-ππ€π‘πˆπ“π‘π€ πƒπˆπ€ππ€ : πŒπˆπ“πŽπŒππŽ 𝐍𝐘 π…π€π‡π€π™πŽπ€ππ€ π‘π€ππŽ π…πˆπ’πŽπ“π‘πŽ πŒπ€πƒπˆπŽ

π€πŠπŽπβ€™ππ˜ 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-π“π’π€πˆππ€ – πŽπŠπ“πŽππ‘π€ πŸπŸŽπŸπŸ”