๐…๐€๐‘๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐€๐๐Ž๐’๐˜ : ๐Œ๐€๐๐€๐Œ๐€๐…๐˜ ๐๐˜ ๐€๐’๐€ ๐‡๐Ž ๐€๐โ€™๐๐˜ ๐‘๐€๐๐Ž, ๐…๐€๐๐€๐ƒ๐ˆ๐Ž๐•๐€๐๐€ ๐’๐˜ ๐…๐ˆ๐ƒ๐ˆ๐Ž๐•๐€๐๐€ ๐Œ๐€๐‡๐€๐‘๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐“๐Ž๐๐ƒ๐‘๐€๐Œ-๐๐€๐๐‰๐€๐Š๐€๐๐€

๐…๐€๐‘๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐€๐๐Ž๐’๐˜ : ๐Œ๐€๐๐€๐Œ๐€๐…๐˜ ๐๐˜ ๐€๐’๐€ ๐‡๐Ž ๐€๐โ€™๐๐˜ ๐‘๐€๐๐Ž, ๐…๐€๐๐€๐ƒ๐ˆ๐Ž๐•๐€๐๐€ ๐’๐˜ ๐…๐ˆ๐ƒ๐ˆ๐Ž๐•๐€๐๐€ ๐Œ๐€๐‡๐€๐‘๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐“๐Ž๐๐ƒ๐‘๐€๐Œ-๐๐€๐๐‰๐€๐Š๐€๐๐€
๐Ÿ”นMitohy ny ezaka ataonโ€™ny Fitondram-panjakana malagasy aminโ€™ny alalanโ€™ny Minisiteranโ€™ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana (MEAH) aminโ€™ny fanamafisana ny fahafahanโ€™ny mponina misitraka rano fisotro madio, fanadiovana ary fidiovana mendrika, indrindra any aminโ€™ireo faritra marefo any Atsimonโ€™i Madagasikara.
๐Ÿ”นNisy araka izany ny fidinana tany aminโ€™ny faritra Anosy, ny 11 sy 12 may 2026, izay notarihin-dRamatoa Minisitra ๐˜ฟ๐™ง ๐™๐˜ผ๐™•๐˜ผ๐™๐™„๐™‰๐˜ฟ๐™๐™„๐˜ผ๐™‰๐™„๐˜ผ๐™„๐™‰๐˜ผ ๐™ˆ๐™ž๐™ฃ๐™ค๐™จ๐™ค๐™– ๐˜ผ๐™ฃ๐™Ÿ๐™–๐™ง๐™–๐™ฉ๐™ž๐™–๐™ฃ๐™– ๐™€๐™ก๐™ž๐™–, niaraka taminโ€™ny ๐™ˆ๐™–๐™จ๐™ค๐™ž๐™ซ๐™ค๐™๐™ค๐™ฃโ€™๐™ž ๐™…๐™–๐™ฅ๐™ค๐™ฃ, ๐™ฃ๐™ฎ ๐™๐™‰๐™„๐˜พ๐™€๐™, ๐™ฃ๐™ฎ ๐™…๐™„๐˜พ๐˜ผ, ๐™ž๐™ง๐™š๐™ค ๐™Š๐™‰๐™‚ ๐™ข๐™ฅ๐™ž๐™–๐™ง๐™–-๐™ข๐™ž๐™ค๐™ข๐™—๐™ค๐™ฃ๐™–๐™ฃ๐™ฉ๐™ค๐™ ๐™– ๐™–๐™ง๐™ฎ ๐™ฃ๐™ฎ ๐™จ๐™š๐™๐™–๐™ฉ๐™ง๐™– ๐™ฉ๐™จ๐™ฎ ๐™ข๐™ž๐™–๐™ฃ๐™ ๐™ž๐™ฃ๐™–. Nohamafisina taminโ€™ny alalanโ€™izany ny fiaraha-miasa entina hitondrana vahaolana maharitra sy mahazaka ny fiovanโ€™ny toetrandro eo aminโ€™ny sehatry ny Rano, Fidiovana sy Fanadiovana.
๐Ÿ”นAo anatinโ€™ny toerana notsidihana ny Fokontany Ankirikiriky, Kaominina Behara, Distrikanโ€™ny Amboasary, izay sokajiana ho ยซ ๐ž๐œ๐จ-๐ฏ๐ข๐ฅ๐ฅ๐š๐ ๐ž ยป, satria dia angovo azo havaozina no ampiasaina toy ny fametrahana ny MUS (Systรจme Multi-Usage), fampiasana herinaratra mandeha aminโ€™ny herinโ€™ny masoandro, fampiasana lavapiringa madio sy tsy misy fofona.
Marihina fa :
โ–ถ๏ธ Mpianatra maherinโ€™ny ๐Ÿ๐ŸŽ๐ŸŽ no misitraka fotodrafitrasa rano sy fanadiovana
โ–ถ๏ธ Tokantrano maherinโ€™ny ๐Ÿ๐Ÿ๐ŸŽ๐ŸŽ no efa nahazo trano fivoahana nohatsaraina sy maharitra ;
โ–ถ๏ธ Miroborobo ny famokarana eto an-toerana ireo โ€œdalles SATOโ€, izay mampihena ny vidinโ€™ny fitaovana fanadiovana sy manohana ny toekarena eny ifotony.
๐Ÿ”นAnisanโ€™ny laharam-pahamehanโ€™ny MEAH ny fampiroboroboana ny โ€œAssainissement Basรฉ sur le Marchรฉโ€ (MBS), izay mikendry ny hanamorana ny fahazoanโ€™ny vahoaka trano fivoahana madio sy ara-pahasalamana, maharitra ary mora vidy. Aminโ€™ny alalanโ€™ity fomba fiasa ity dia tohanana ireo mpandraharaha eny ifotony, ampirisihina ny famokarana eto an-toerana ary hamafisina ny fahafahanโ€™ny mponina misitraka tolotra fanadiovana ara-pahasalamana.
๐Ÿ”นAminโ€™ny alalanโ€™ireo hetsika ireo dia manamafy ny andraikiny ny MEAH aminโ€™ny ady aminโ€™ny fangerena an-kalamanjana sy ny fampiroboroboana ny fahadiovana ho anโ€™ny rehetra.

ร€ lire รฉgalement

๐Œ๐€๐‡๐€๐Œ๐€๐’๐ˆ๐๐€ : ๐๐Ž๐‰๐„๐‘๐„๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐€๐๐ƒ๐‘๐Ž๐’๐Ž๐€๐โ€™๐๐˜ ๐€๐’๐€ ๐๐ˆ๐€๐€๐Ÿ

๐•๐€๐Ž๐•๐€๐Ž๐Œ-๐๐€๐‘๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐ƒ๐ˆ๐€๐๐€ : ๐Œ๐ˆ๐“๐Ž๐Œ๐๐Ž ๐๐˜ ๐…๐€๐‡๐€๐™๐Ž๐€๐๐€ ๐‘๐€๐๐Ž ๐…๐ˆ๐’๐Ž๐“๐‘๐Ž ๐Œ๐€๐ƒ๐ˆ๐Ž

๐€๐Š๐Ž๐โ€™๐๐˜ ๐…๐€๐๐€๐๐†๐€๐๐€๐-๐“๐’๐€๐ˆ๐๐€ – ๐Ž๐Š๐“๐Ž๐๐‘๐€ ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ”