Androany 11 Novambra dia nanatanteraka ny fanambaram-pananana teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) tetsy Ambohidahy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, notarihin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa Herintsalama Rajaonarivelo.
Nandray anjara tamin’izany ihany koa ny Ministry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, Dr RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia, naneho ny fahavononany amin’ny fanajana ny fitsipika sy ny mangarahara eo amin’ny fitantanana raharaham-panjakana.



