MEAH – Vondrona Eoropeana : Fampahafantarana sy Fanamafisana ny Fiaraha-miasa

Nandray an’i Andriamatoa Roland Kobia, Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeana eto Madagasikara, Ramatoa Minisitry ny Rano sy ny Fidiovana ary ny Fanadiovana Dr RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia, ny 13 novembre 2025, tao Ambohijatovo Ambony. Izay isan’ireo mpiaramiombon’antoka iraisam-pirenena akaiky sy mavitrika indrindra amin’ny MEAH, tamin’ny fitsidihana nataony ara-pomba am-panajana.
Notsiahivina nandritry ny fihaonana ny maha zava-dehibe ireo tetikasa efatra iarahana MEAH sy ny Vondrona Eoropeana, dia ireto avy :

  • JIRAMA Water III ho fanatsarana ny fisitrahana rano fisotro madio eto amin’ny Antananarivo,
  • Programme Intégré d’Assainissement d’Antananarivo Phase II,
  • Tetikasa Rano sy Fanadiovana ao Toamasina,
  • Fanamafisana ny Rafitra Ara-pitantanana sy ny Fandrindrana

Nanolotra fankasitrahana ho an’ny MEAH Atoa Roland Kobia noho ny asa vitany sy ny ezaka izay mbola ho atao, ary nanamafy indray ny fahavononany ny Vondrona Eoropeana hanohy sy ny fanohana ny Governemanta Malagasy.
Etsy ankilany, nanamafy Ramatoa Ministra fa vonona tanteraka ny MEAH hanohy sy hampitombo ny fiaraha-miasa amin’ny Vondrona Eoropeana, amin’ny finiavana iombonana hanatsarana maharitra ny fahazoan’ny olom-pirenena rano fisotro madio sy tolotra ara-pidiovana, ho tombontsoan’ny mponina manerana ny firenena.

À lire également

𝐌𝐀𝐇𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 : 𝐍𝐎𝐉𝐄𝐑𝐄𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐏𝐈𝐀𝐀𝟐

𝐕𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 : 𝐌𝐈𝐓𝐎𝐌𝐁𝐎 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐙𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐅𝐈𝐒𝐎𝐓𝐑𝐎 𝐌𝐀𝐃𝐈𝐎

𝐀𝐊𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀 – 𝐎𝐊𝐓𝐎𝐁𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔