Tontosa anio 29 Octobra 2025 ny lanonana ara-pomba ofisialy amin’ny famindram-pitantanana teo amin’i Ramatoa RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia, Minisitry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, sy Andriamatoa ANDRIANAMELASOA Lalaina, Minisitra teo aloha.
Lanonana izay notronin’ireo tomponandraikitra ambony ary ireo mpiara-miasa rehetra eto anivon’ny Minisitera.




