Fanolorana ofisialy ny fotodrafitrasa AEP vaovao ao Marovoay sy Mahajanga, faritra Boeny

Tontosa ny 12 Septambra 2025 ny fanolorana ofisialy ny fotodrafitrasa AEP ao Marovoay sy Mahajanga. Nanotrona ny lanonana ireo manampahefana maro toy ny avy amin’ny DREAH, ny Faritra, ny Solombavambahoaka, ny Ben’ny Tanàna ary ny Chef Fokontany, niaraka tamin’ny solontenan’ny mpiara-miombon’antoka.
✅ Vokatra :
• Système d’AEP miisa 3 (forages misy paompy mandeha amin’ny herin’ny masoandro)
• Robinet miisa 12 isaky ny AEP
• Mpisitraka : olona miisa 2 400 amin’ny Fokontany 3 :
📍 Toerana misitraka :
• Mandrisoa – Croisement 12 (CU Marovoay)
• Bevovoka (CU Marovoay)
• Antanimalandy Centre (CU Mahajanga Ville)
Ireo fotodrafitrasa ireo dia manome vahaolana maharitra ho an’ny olan’ny rano amin’ireo Fokontany voakasika, manome rano fisotro madio sy azo antoka ho an’ny tokantrano an’arivony.
Mpiaramiombon’antoka : DIYANET VAKFI

À lire également

𝐌𝐀𝐇𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 : 𝐍𝐎𝐉𝐄𝐑𝐄𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐏𝐈𝐀𝐀𝟐

𝐕𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 : 𝐌𝐈𝐓𝐎𝐌𝐁𝐎 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐙𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐅𝐈𝐒𝐎𝐓𝐑𝐎 𝐌𝐀𝐃𝐈𝐎

𝐀𝐊𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀 – 𝐎𝐊𝐓𝐎𝐁𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔