Ny Minisitry ny Rano sy ny Fidiovana nanao fisaorana ireo mpamily kamiao avy amin’ny Faritra ary niarahabana ireo mpamily vaovao

Taorian’ny fanomezana nataon’Andriamatoa Andry Rajoelina, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, ireo kamiao 18 mpitatitra rano fisotro madio, mba hanampy amin’ny fiatrehana ny mety ho fikorontanan’ny famatsiana rano eto Antananarivo noho ny:

  • Asa fanavaozana tanteraka ny fotodrafitrasa, ary
  • Loza ateraky ny hain-tany ho avy.

🙏 Ny Minisitry ny Rano, Fanadiovana ary Fidiovana, Lalaina Andrianamelasoa, dia nanao fisaorana manokana ho an’ireo mpamily kamiao ny Alarobia 13 Aogositra 2025.

✨ Noentiny nanamafy fa:

  • Tsy ny mpamily ihany no asiana fankasitrahana, fa koa ny mponina any amin’ny faritra niavian’izy ireo tsirairay avy.
  • Zava-dehibe iankinan’ny aina ny asa vitan’izy ireo teto an-dRenivohitra.

🤝 Niarahaba sy nankahery ireo mpamily sy ny JIRAMA ihany koa ny Minisitra, ary nanome toky fa mbola hitohy hatrany ny fiaraha-miatrika amin’ny Ministera.

💦 Mandritra ny fotoanan’ny asa fanarenana:

🚚 Kamiao 28 avy amin’ny JIRAMA no mbola manohy manatitra rano fisotro madio eny amin’ireo sinibe sy toerana tsy todin’ny rano,

✅ Ary tohanan’ny Ministeran’ny Rano, Fanadiovana ary Fidiovana izany hetsika izany.

À lire également

𝐌𝐀𝐇𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 : 𝐍𝐎𝐉𝐄𝐑𝐄𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐏𝐈𝐀𝐀𝟐

𝐕𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 : 𝐌𝐈𝐓𝐎𝐌𝐁𝐎 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐙𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐅𝐈𝐒𝐎𝐓𝐑𝐎 𝐌𝐀𝐃𝐈𝐎

𝐀𝐊𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀 – 𝐎𝐊𝐓𝐎𝐁𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔