Kamiao citerne 18 vaovao ho an’Antananarivo sy manodidina

✅ Ho fiomanana sahady amin’ny fotoanan’ny haintany sy noho ny fikorotanana ateraky ny asa fanarenana, dia nanolotra kamiao 18 vaovao ho an’Antananarivo sy ny manodidina ny Fanjakana Malagasy, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana.
Tao amin’ny Futura Park Andranomena no nanatanterahana ny lanonana, notarihin’ny Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA, izay nanome voninahitra manokana ny hetsika ny zoma 08 Aogositra 2025 lasa teo. Nisaotra sy nankasitraka manokana ny Filoham-pirenena ny Minisitry ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, noho ny fandraisana andraikitra hentitra, ho fanomezana vahaolana maharitra ho an’ny olana mianjady amin’ny vahoaka, indrindra eo amin’ny sehatry ny rano fisotro madio.
🚛 Ireo kamiao FORLAND 4×4 mahazaka 10 000 litatra avy, dia ahitana motopompy sy fitaovana fizaràna rano. Ireo dia fitaovana stratejika hanamafisana ny famatsian-drano amin’ireo faritra marefo, indrindra amin’ny fotoana mahamaika toy ny haintany, valanaretina, na loza voajanahary. Afaka mizara rano mivantana avy hatrany ankoatra ny famenoana siniben-drano izy ireo.
🤝 Tetikasa vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny PAAEP, ary tantanin’ny MEAH, ho fametrahana vahaolana maharitra sy matotra amin’ny zo fototra hisitraka rano fisotro madio.

À lire également

𝐌𝐀𝐇𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 : 𝐍𝐎𝐉𝐄𝐑𝐄𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐏𝐈𝐀𝐀𝟐

𝐕𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 : 𝐌𝐈𝐓𝐎𝐌𝐁𝐎 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐙𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐅𝐈𝐒𝐎𝐓𝐑𝐎 𝐌𝐀𝐃𝐈𝐎

𝐀𝐊𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀 – 𝐎𝐊𝐓𝐎𝐁𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔