Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ireo asa fanajariana ny tambazotra fitsinjarana rano fisotro madio hoan’ny tananan’i Fianarantsoa. Misy tsy fahampian-drano ny famokarana rano noho ny fahanteran’ny fotodrafitrasa mpamokatra rano sy ireo fantson-drano. Efa misy ireo vahaolana entin’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny tetikasa PAAEP izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany ny fanajariana sy fampitaovana ireo ivon-toerana mpamokatra rano, ny fanohizana ny asa fanamboarana ireo ivon-toerana ao Ankidoana sy Ambanimaso. Ny fanajariana ny ivon-toerana ao Andohabevava, Ankijana I sy Il mba hahafahana mamokatra hatramin’ny 18000m3 isanandro. Eo ihany koa ny fanajariana sy fanamboarana tanteraka ireo fitahirizan-drano sy fantson-drano manerana ny tanana.
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hanatanterahana ny fanamboarana « forages » sy ivon-toerana fanadiovana rano miisa dimy ao amin’ny distrikan’Ambositra ao Tsileondrano, Morafeno, Ambohipierenana, Vatovory sy Ambohibary.






