Ho fanatanterahana ny tanjona ho Tobim-pahasalamana sakaizan’ny Rano dia natao ny fanamafisana ny fotodrafitrasa amin’ny sehatry ny fahasalamana, indrindra amin’ny famatsian-drano ho an’ny tobim-pahasalamana (CSB).
✅ Ny 9 Jolay 2025, dia vita tanteraka ny fandraisana ireo fotodrafitrasa vaovao tao amin’ny CSB ao amin’ny Kaominina Mahatsara Sud, Distrikan’i Mananjary, izay vatsian’ny UNICEF vola.
Fotodrafitrasa natsangana :
✔️ Toeram-pidiovana ho an’ny lahy sy ny vavy
✔️ Incinérateur
✔️ Famatsian-drano avy amin’ny amin’ny herin’ny masoandro (2m³ a pompage solaire)





