Notanterahana ny fidinana ifotony ny toerana hametrahana ny fantsona famatsian-drano vaovao, izay tetikasa hiarahana amin’ny PAAEP izay mirefy 15 km. Kasaina hanomboka amin’ity volana Jolay ity ny asa. Ny fitsidihana dia notarihin’Andriamatoa Mara Romuald, Tale Jeneralin’ny Rano, niaraka amin’ny Fitaleavam-paritra EAH Vatovavy.
✅ Nifarana tamin’ny fivoriana izay nametrahana ny drafitra sy ny fifanarahana amin’ireo bureau d’études PIC II sy Toozzi Green.
🎯 Paikady : hametrahana ny fantsona amin’ny sisindalana na trotoara, mba hisorohana ny fahasimbana.









