Manoloana ny olana amin’ny tsy fahampian-drano any Nosy Be sy Antsiranana vokatry ny fitomboan’ny mponina, dia ilaina ny fandraisana andraikitra maika. Mahatratra 1 600 m³ isan’andro ny tsy fahampiana any Nosy Be ary 15 000 m³ isan’andro any Antsiranana.Ho an’i Nosy Be, kasaina ny hanoloana ny paompy sy kojakoja efa simba, hanavaozana tanteraka ny rafitra hahafahana mamokatra 4 800 m³ fanampiny isan’andro, ary hametrahana “groupes de secours”.
Hamafisina ihany koa ny fantson-drano Ampahiribe-Andilana sy ireo toerana avo.
Ho an’i Antsiranana kosa, kasaina ny hanangana forage à drain miisa 10 (6 ao Antongombato sy 4 ao Sahantanana), hanavaozana sy hanitarana ny station de traitement ao PK7, ary hanoloana ny fantsona avy amin’ny tohodranon’Ambodimanga.
Ankoatra izany, hatao ihany koa ny fanamboarana tobim-pamokarana sy fitahirizan-drano, ary fanavaozana fantsona 75 km.Nambaran’ny Filohan’ny Repoblika fa efa an-taonany maro no tsy nisy fampitomboana ny fisitrahana rano fisotro madio eto Madagasikara. Tsy rariny raha ho ory rano i Nosy Be izay manana loharano madio sy betsaka.
Nanao toromarika avy hatrany ny Filoham-pirenena ho an’ny Ministra tompon’andraikitra mba hanafaingana ny asa sy handrindra akaiky ny vahaolana manoloana ny olana mitranga.


