Tontosa tamin’ny Alarobia 21 mey 2025 ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny AkaMA (Akanin’ny Mamerina 67ha) sy Akany Avoko Ambohidratrimo.
🌸 Teny amin’ny AkaMA, notarihin-dRamatoa Talen’ny Kabinetra ny hetsika, niarahana tamin’ny DPH, nitondra fanomezana sy fiofanana ho an’ireo ankizy manana fahasembanana toy ny fanjairana salaka fanasa.
🌺 Teny amin’ny AVOKO Ambohidratrimo, tonga nanotrona ny lanonana ireo solotenan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, Ran’Eau, SAF-FJKM, WHH, ary ireo mpiara-miombon’antoka hafa. Nisy fanolorana fitaovana avy amin’ny UNICEF, SOREDIM sy WATERAID ary lalao nahazoana loka notohanan’ny FNUAP sy Vaniala, niaraka tamina fikambanana mpianatra avy eny amin’ny oniversite.
Nohamafisina hatrany fa voajanahary ny fadimbolana, tsy fady na aretina, fa mariky ny maha-vehivavy!













