Notanterahina ny Alarobia 14 Mey 2025 ny fandraisana ara-teknika ireo fotodrafitrasa manaraka ireto tao Kaominina Marokoro, Distrika Maevatanana, Faritra BETSIBOKA:
- AEPG (Adduction d’Eau Potable par Gravité) ao amin’ny Fokontany Tsiandrarafa,
Mpamatsy vola : GESCOD (Grand Est Solidarités et Coopérations pour le Développement)
Ity fotodrafitrasa ity dia ahitana :
- Tilikambo misy « réservoir cylindrique 20m³ »
- Paompy iraisana miisa 5 ho an’ny rano fisotro
- 5 bornes partagés
- 1 borne institutionnelle
Isan’ny mponina misitraka : 1 750
- Paompy amin’ny tanana (PPMH, Puits équipés de Pompes à Motricité Humaine) miisa 5 ao amin’ny Fokontany Marokoro, Kaominina Marokoro
Isan’ny mponina misitraka : 1 376
Tokantrano : 230
Dingana lehibe ho an’ny fahazoana rano fisotro madio sy maharitra ho an’ny mponina eny an-toerana. Izao dia vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny OPCI (Organisme Public de Coopération Intercommunale) sy ny DREAH Betsiboka.







