Notanterahina ny 07 sy 08 Mey 2025 ny fanaraha-maso ny asa fanarenana toeram-pivoahana ao amin’ny CHRD Vohipeno (fandrosoana 75%) sy ny fanorenana vaovao tao amin’ny CSB II Sahasinaka (fandrosoana 95%).
Ireo fotodrafitrasa dia samy ahitana kabone 3 sy efitra fandroana 1.
Natao ihany koa ny fandraisana ara-teknika ho an’ireo « incinérateurs » ao amin’ny CSB II Anosiala, Ambila ary Sahasinaka.






