Ho fanohizana ny fanamarinana natao tamin’ny taona 2024 mikasika ny tetikasa AEP Amborovy, dia notanterahina ny 29 aprily 2025 teo ny « contrôle a posteriori » natao hijerena ny fahavitan’ny asa.
Tetikasa notohanan’ny RPI ary notarihin’ireo avy ao amin’ny DGCF, ka tafiditra tamin’izany ny Inspecteur Général de l’État sy ny Contrôleur. Nandray anjara tamin’ity fanaraha-maso ity ny tekinisianina avy any amin’ny Ministera foibe sy ny fitaleavam-paritry ny BOENY.
Tamin’ny ankapobeny dia vita sy mifanaraka amin’ny fepetra voalaza ao anaty tsenam-panjakana ny asa. Taorian’izany dia notanterahina ny fandrafetana sy fanasoniana ny procès-verbal tao amin’ny biraon’ny DREAH.




