35 Forages, ho an’ny faritra 4 manodidina an’Antananarivo: Asa vita 95 % amin’ny toerana maro, mitohy ny fanatanterahana

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny 25 Septambra 2024 ny tetikasa fametrahana lavadrano miisa 35 ho fanatsarana ny famatsian-drano eto Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano, Avaradrano ary Ambohidratrimo.
🚰 Tanjona: Hanome vahaolana maharitra amin’ny tsy fahampian-drano sy hanatsara ny sehatry ny fanafiovana ho an’ny mponina.
📍 Toerana efa vita 95 % ary efa natao ny fandraisana ara-teknika :
Antanimora – Ampasanimalo, Ambolokandrina 5A, Ambohipo Tanàna Ampahateza, Andraisoro, Ankerana – Ankadindramamy, Nanisana – Iadiambola, Bemasoandro, Andranonahoatra, Ambodifasika, Amboatavo, Antanjona, Anjanandrambony, Atsimombohitra.
📍Toerana mbola iasana amin’izao fotoana izao :
Ampahibato – Secteur 5, Ambohimarina, Ampahibato – Secteur 4, Mahitsy, Miadana, Manandriana, Ambatofotsy, Antsahafohy, Farahindra, Ampiriaka, Andringitana, Ambatolampy Avaratra, Mahitsy.
Ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana dia manamafy hatrany ny fanaraha-maso sy ny fiaraha-miasa akaiky amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy manampahefana eny ifotony, ho fanajana ny kalitao sy ny faharetan’ny fotodrafitrasa ho tombontsoan’ny vahoaka.

À lire également

𝐌𝐀𝐇𝐀𝐌𝐀𝐒𝐈𝐍𝐀 : 𝐍𝐎𝐉𝐄𝐑𝐄𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐒𝐎𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 𝐏𝐈𝐀𝐀𝟐

𝐕𝐀𝐎𝐕𝐀𝐎𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 : 𝐌𝐈𝐓𝐎𝐌𝐁𝐎 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐙𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐑𝐀𝐍𝐎 𝐅𝐈𝐒𝐎𝐓𝐑𝐎 𝐌𝐀𝐃𝐈𝐎

𝐀𝐊𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐓𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀 – 𝐎𝐊𝐓𝐎𝐁𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔